« Ainteny » : Roa andro hanomezan-danja ny teny malagasy

Sehatra maro no ampiasana sy azo anomezan-danja ny teny malagasy. Sokajy maromaro amin’ireo no hasongadina mandritra ny roa andro.

«Ainteny». Tsy diso fa­noratra akory fa tena izay mihitsy no anarana nampisalorana ny hetsika. «  Ainteny, satria aina ny teny. Miaina ny teny. Aintsika Malagasy tsirairay sy ny firenena ny teny. Isika Malagasy no ain’ny teny », hoy ny fanazavana nomen’ny mpikarakara… Hetsika hotontosaina ny 19 sy 20 jona izao izy ity, eny amin’ny Cités des Cultures Antaninarenina. Mazava loatra fa natao hanasongadinana sy hanomezan-danja ny teny malagasy amin’izao Iray volan’ny teny malagasy izao. Amin’ny alalan’ny fampiasana azy amina sehatra marolafy izany, toy ny dinidinika, atrikasa, fifaninanana an-tsolosaina, sarimihetsika, vakiboky, varotra fampirantiana, sns.
“Ny teny malagasy, mahalaza ny ankehitriny sy ny hoavy”. Io ny lohahevi-dehibe ihodidinan’ny hetsika rehetra mandritra ireo roa andro ireo. Hanehoana, araka izany, fa teny velona, miaina, mivoatra ary manana ny hoaviny ny teny malagasy. Anatin’ny « Ainteny – dinidinika », ohatra, ny loabariandasy efatra, hiompana amin’ny « Ny teny malagasy sy ny fandraharahana ary ny fitantanana », «Ny malagasy sy ny fampianarana ary ny fanabeazana », « Ny teny malagasy sy ny asa », ary « Ny teny mala­gasy sy ny teknolojia vaovao ».
Anatin’ny « Ainteny – An-tsolosaina » kosa ny fampidirana lahatsoratra ao amin’ny « Wikipedia » sy ny fandraisana anjara amin’ny « Word­Press » amin’ny teny malagasy. Ankoatra ireo ny fifaninana an-tsolosaina, ahitana lalao an-tsary, lalaon-tsaina, tranonkala sy tahirin-kevitra.
Anatin’ny « Ainteny -Kilon­ga » no ahitana ny vakiboky, angano, teatira sy ny tahaka ho an’ny ankizy, natao hamakiana boky eo an-toerana sy hanaovana kilalao sy fanentanana isan-karazany. Ny « Ainteny -Kanto sy tafa » no misy ny sarimihetsika sy ny sehatra ho an’ny hira, antsa tononkalo, ny fifaninanana ary ny lalao sy ny fanentanana. Ny « Ainteny – Ambohipi­haona­na » kosa dia ny varotra boky, ny tolotra fandikan-teny ary ny fampirantiana isan-karazany.

Zo ny Aina

Partager sur: