Ambovombe Androy : Nanamboatra kilalao ho an’ny ankizy ny skoto

Nambaran’ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankohonana MICS 2025 fa 20% amin’ny zaza 2 ka hatramin’ny 4 taona ihany no misitraka hetsika famohana ny vavahadin-tsaina mifanaraka amin’ny taonany. Miaritra fomba fifehezana hentitra kosa ny 88%.

Taona fahatelo nanamarihin’i Madagasikara ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny lalao ity taona ity. “Arovantsika ny lalao, arovantsika ny ankizy” ny lohahevitra amin’izany. Tao amin’ny distrikan’Ambovombe, tamin’ity herinandro ity, no nanaovana hetsika mifandraika amin’izany, nampisehoana fa zava-dehibe ho an’ny fivelaran’ny zaza ara-tsaina sy ara-batana ny lalao. Tsy mampiala voly fotsiny ny lalao fa manampy ny ankizy hifandray amin’ny hafa sy hampivelatra azy amin’ny fiatrehana ny tahotra sy ny olana samihafa ihany koa, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Nandritra ny hetsika, namorona kilalao ho an’ny ankizy avy amin’ny akora misy eo an-toerana ny skoto. Tsy manana fahafahana hividy kilalao ny tokantrano noho ny fahasahiranana amin’ny fivelomana, raha ny hita. Miantoka amin’ny fitomboana ara-tsaina, ara-batana ary ara-piarahamonina ny kilalao. “Manana zo handray anjara ny zaza ka maneho izany izy rehefa milalao miaraka amin’ny ankizy hafa”, hoy ny tomponandraikitry fiarovana ny ankizy ao amin’ny Sampan­draharahan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, faritra Androy, Raherijaona Elia. 10 ireo skoto nandray anjara tamin’ny famoronana ka ny dimy no nisongadina sy nomena loka. Hapetraka ao amin’ny Espace Mandady, toerana hamondronana ny zaza sy hampilalaovana azy, ny kilalao voavoatra. Tavoa­hangy plastika, baoritra, taratasy… no avadika ho kilalao. Azon’ny isan-tokantrano hamboarina hamohazana ny vavahadin-tsain’ny zaza sy ho fampivelarana ny sainy izany. Nanohana ny hetsika ny Unicef sy ny mpiray ombon’antoka toy ny Ofisim-paritry ny fanjarian-tsakafo ao Androy, ny ONG Sahi, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Afaka nilalao avokoa ny ankizy nandritra ny hetsika natao.

Vonjy

Partager sur: