INDRAY MIJERY

Nisy ny fikaonandohan’ireo mpiantsehatra voafantina eo anivon’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eto Madagasikara, tamin’ity herinandro ity. Nahakasika ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny famolavolana sy fanoratana ary fanatanterahana ny paikady maharitra ny lahadinika tamin’izany.

Tanterahina anio ny Diaben’ny firaisankina iarahan’ny olom-pirenena rehetra amin’ireo olona manana toe-tena varira izay tarihin’ny fikambanana miahy azy ireo. Hiaka hanairana ny fanjakana hamongotra ny atidoha mikotrika ny famonoana varira sy hanentanana ny olona rehetra no hatao amin’izany. Olombelona mitovy zo amin’ny rehetra izy ireo.

Nomarihina omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny aretina lupus. Aretina mitaiza vokatry ny fikorontanan’ny hery fiarovan’ny vatana izany ka mety hiantraika amin’ny taova maro toy ny hoditra, vanin-taolana, ny voa…Mitaky fanaraha-maso akaiky ireo olona manana izany areti-mitaiza izany.

Partager sur: