Mitohy anio ny fampirantiana mahakasika ny tetikasa “Haratonaina”, etsy amin’ny Gymnase Ankorondrano. Efa nanomboka ny taona 2014 no natao teto Madagasikara ity tetikasa ity, izay famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena ary tanterahin’ny Fid.
Mitondra sy mampahafantatra ny vokatry ny Haratonaina ireo mpisitraka manerana ny Nosy. Misy ireo efa nifarana tanteraka ny fandaharanasa tany amin’ny toerana nisy azy ary nahita fitomboana be tamin’ny sehatra nanohanana azy ka tonga mitondra ny fahombiazany. Efa mahavita tena ara-pivelomana ary efa tonga orinasa mpamelona ny manodidina azy indray izy ireo amin’izao fotoana.
Fanehoana ny vokatra sy ny lalam-pahombiazana, ny fiforonan’asa ary ny fahavitan-tena noho ny tetikasa Haratonaina sy ireo fandaharanasa fiahiana mpiara-belona, araka izany, no hita etsy Ankorondrano. Maherin’ny 1,980 tapitrisa ireo niaina tao anatin’ny fahantrana sy ny faharefoana no narenina hahaleo tena ara-pivelomana, nanomboka tamin’ny taona 2016.
Hatramin’ny faran’ny taona 2027 no hifarana ny tetikasa izay hitsinjaran’ny fandaharanasa maro, toy ny Vatsin’ ankohonana, ny Asa avotra mirindra ary ny Fiavota. Eo indrindra koa ny Asa vonjy voina izay ho an’ny hamehana rehefa misy voina mihatra.
Misy ny fanadihadiana mandahatra ny taham-paharefoana, araka ny fanazavan’ ny tomponandraikitra ao amin’ny Fid, Rado Rakotomanalina.
Tatiana A




