Fanavaozana ny lisi-pifidianana : Hitety tsena sy tokantrano ny Ceni…

Nambaran’ny mpampakateny, Rajafetra Setraniaina Solomanjaka, fa efa vita ny fanavaozana ny birao maharitry ny Ceni. Havaozina, araka izany, koa ny fomba fiasa miaraka amin’ny toe-tsaina mandala ny mangaraharaha sy fifanakalozana, araka ny nambarany. «Hampandray anjara ny mpisehatra politika sy ny fikambanana politika ary ny fiarahamonim-pirenena isika amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana», hoy izy, tany Antsohihy, omaly. Efa nanomboka ny avrily teo izany ary hifarana ny avrily 2027 ka ilana fifanakalozan-kevitra, araka ny nambarany hatrany. Nentaniny ireo mpisehatra amin’ny fifidianana rehetra, toy ny antoko politika sy fiarahamonim-pirenena mba hanolotra olona roa avy ho eo anivon’ny vaomiera mpanisa ny mpifidy «CLRE», mialoha ny 20 jolay izao. Natsidiny fa ha­nomboka ny 28 jolay izao ny fanisana ny mpifidy. «Fom­ba fiasa amin’izany ny fanatonan’ny CLRE eny amin’ny toerana maro olona, toy ny tsena, mba tsy ho very zo isika. Eo koa ny fisoratana anaty tambajotran-tserasera. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo tanora mihoatra ny 18 taona. Ma­nampy izany ny fitetezana tokantrano, tahaka ny mahazatra», hoy ihany izy. Notsin­driny fa andraikitry ny rehetra ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Tokony ho ny rehetra no miara-manara-maso izany mba hahatongavana amin’ny lisi-pifidianana madio sy eken’ny rehetra. «Anisan’ny miteraka olana io ka hanentanana ny rehetra ny fandraisana andraikitra amin’izany», hoy izy.
Etsy andaniny, niaiky ny Ceni fa anisan’ny azo antoka tokoa ny lisi-pifidianana biometrika. Efa miroso amin’izany ny fanjakana amin’izao fotoana izao. «Mbola lavitr’ezaka anefa izany. Afaka telo taona any vao ho feno tanteraka ny fepetra ahafahana mampiasa izany», hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: