TARATRY ny KANTO

« Ambiance Latin Jazz » hiarahana amin’ny Le Groupe 4/4. Haneho ny fahaiza-mitendry sy mitsoka ary mikapoka zavamaneno sy ny fampiarahana izany ry Do Andriambelo eo amin’ny gitara beso, Mbola Andrianoelina hitendry ny piano, Mihaja Rakotoarisoa hikapoka ny amponga maroanaka, i Titi Razakamiadana sy Naivo Andriambelo kosa no hitsoka ny saksôfônina. Seho hotanterahina ao amin’ny Chez-Tutur Andraharo, ny zoma 19 jona izao, manomboka amin’ny 8 ora alina.

21 jona, « Fetin’ny ray ». Tsy an’ny Malagasy io. Tsy misy valaka tamin’ny « Fetin’ny reny ». Tsy kolontsaina malagasy fa nampidirin’ny vahiny. Teo amin’ny Malagasy, tsy nomena na nahazo tombony manokana indray mandeha isan-taona ny ray. Tsy mendrika ny natsoina ho ray akory aza ireo tsy nahavita adidy, fahiny. Ny ray no mpiahy ny ankohonana. Saingy, ankehitriny, efa ahitana tranga maro mifanohitra amin’izany. Ray misahana ny andraikitry ny reny. Sady efa tsy an’ny Malagasy no mbola ahitana tranga mifanohitra. Mbola mendrika ny hankalazaina ihany ve?

Manomboka ireo fombafomba maro ny Malagasy, ao anatin’izao vanim-potoan’ny ririnina izao. Iray amin’ireny ny famadihan-drazana. Lasa mari-pandrefesana ny isan’ny kisoa nadaboka. Arakaraka ny isan’ny kisoa novonoina no mampalaza ilay fomban-drazana sy ahafahan’ny tompon-draharaha mametraka ny tenany na ny fianakaviany ao anatin’ny fiarahamonina (mpanankarena, mpanambola, antonintoniny…). Tsy azo kosehina eo amin’ny tantara, anefa, fa ny ankamaroan’ny faritra eto Madagasikara, fady kisoa. Izany hoe, mahavita manota fady ny Malagasy rehefa hitady laza sy voninahitra?

Partager sur: