Trano misy rihana telo nirodana : Efatra mianaka nieren-doza tetsy Andavamamba

Nirodana tampoka ny trano misy rihana telo, andalam-pahavitana, tetsy amin’ny fokontany Andavamamba Anati­hazo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora. Nianjera tamin’ny trano roa samihafa teo anilany izany. Tsy nisy olona naratra na namoy ny ainy nandritra ny tranga fa potika sy rava tanteraka ireo trano voakasika sy ny entana tao anatiny. Nieren-doza ny olona efa-mianaka tao amin’ny tokantrano iray anisan’ny nianjeran’io tranobe io. «Efa-mianaka izahay no tao an-trano, nahitana anay mivady sy ny zanakay mianadahy », hoy i Eric, raim-pianakaviana. Nambarany fa nanao zavatra tany amin’ny efitra iray mifanila amin’ilay trano voatsindry no antony tsy nahavoakasika azy ireo. Tototra ny lalana nivoahana ka nitsambinkina tany amin’ny varavarankely iray tany am-badika izy ireo. Zanak’izy mivady vavikely iray no tena mipetraka tao amin’ilay trano voatsindry. « Efa lasa nianatra izy vao nirodana ilay trano », hoy ihany izy. Nohamafisiny fa ny poteaux na ny andry izay singa mitsangana mitondra ny lanjan’ny rafitra no nianjera tany amin’ny misy azy efa-mianaka ka tsy nampirodana ny tranon’izy ireo. Diso avo loatra ny trano nefa mety tsy ho nifanaraka tamin’izany ny fototra ka mety ho antony nahatonga ny firodanana, raha ny fanazavan’ny olona teny amin’ny manodidina. Naharitra amam-bolana vitsivitsy ny nanorenana io trano nirodana io. Mbola tsy nisy aloha ny fifampiresahana teo amin’ny tompon’ny trano nirodana sy ireo fianakaviana lasibatra hatramin’ny omaly nandehanana teny an-toerana.

Mino

Partager sur: