Tany amin’ny foiben’ny Vondrona eoropeanina (UE), any Bruxelles, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, omaly. Nambarany fa nisy ny fihaonany tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ity rafitra iraisan’ny Eoropeanina ity.
Anisan’ny nambarany taorian’izany fihaonana izany ny momba ny fiainam-pirenena. « Ilaina fantatra ny tena filan’ny olona. Tsy tafondro na fitaovana tsy mandeha ireny no ilan’ny olona fa ny hanina sy fiarovana ny ainy ary ny fananany. Ny fanatsarana ny famokarana… Maika ireo amintsika ary ilaina haitarika», hoy izy. Ireo tena miantraika mivantana any amin’ny vahoaka no tena ilana fahaiza-mitarika. Eo koa ny filazana amin’ny vahoaka fa hamonjy sy hanampy azy ireo ary ho eo akaikiny mandrakariva ny mpitondra, araka ny nambarany. Noraisiny ho ohatra ny momba an-dry zareo Alemà ka nilazany fa tsy manome na manampy izy ireo raha tsy tena ilaina tokoa ilay omeny. « Miavaka koa izy ireo ary ao anatin’ny kolontsainy ny fametrahana ny fifampitokisana. Tsy tia mandainga na mivadibadika na miovaova hevitra izany izy ireo », hoy izy. Nanteriny fa tsy maintsy resena lahatra ireo firenena mpikambana eo anivon’ny UE fa manomboka hadinon’ireo firenena ireo i Madagasikara. Anisan’ny mahatonga ny fahasahiranantsika izany, araka ny nambarany. « Avy aty ivelany na avy amin’ny UE ny 83% mahery amin’ny tetibola ampiasaintsika », hoy izy.
Tsy azo ekena atao fitaovana ny tanora
Momba ny tanora kosa, nambarany fa tsy azo ekena ny fanaovana fitaovana politika azy ireo. Nohitsiny koa fa ilaina ny fametrahana vina eo amin’ny fitantanana ny firenena.
Tsiahivina fa hihaona amin’ireo Malagasy any Eoropa, rahampitso, ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Hotanterahina ao Paris izany ka hanomezany toromarika momba ny fikaonandoha sy hanazavany ny toe-draharaham-pirenena.
Synèse R.




