Voafidin’ny Antenimierampirenena ho mpanolotsaina avo ao amin’ny HCC, Razafindramasy Faralahy Célestin sy Vazison Honoré. Miisa efatra ireo kandidà nirotsaka ka ireo roa nahazo vato be indrindra no voafidy tamin’ny fifidianana natao, omaly, teny Tsimbazaza. Tsiahivina fa izy ireo no hisolo toerana ireo roa nametra-pialana, afakomaly.
Voatendry ho tale jeneraly vonjimaika eo anivon’ny Samifin Razanamanana Haja Lalao, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, teny Iavoloha. Handimby toerana an-dRajaonarison Mamitiana, mpitantana teo aloha, voatendry ho praiminisitra lehiben’ny governemanta amin’izao fotoana izao, izy.
Nahitsy Razafiarison Laza nanambara fa tsy mbola nisy sahy niteny tamin’ireo fitetezam-paritra nataony ka nandiso ireo rehetra nolazain’ny RCR tarihiny. Anisan’izany ny tsy maintsy hanovana rafitra. « Tsy misy azo atao anefa raha tsy ny rehetra mihitsy no resy lahatra fa tsy vola no ahafahana mampandroso firenena fa ny olombelona », hoy izy.
Nirarakompana ny fanendrena ireo talem-paritra ho an’ny fandraharahana ny fonja, tamin’ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony, nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly. Misia 17 ireo tomponandraikitra vaovao sy tale eo amin’ny fandraharahana ny fonja notendrena. Miisa 18 kosa ireo talem-paritra vaovao ho an’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo.




