Nitondra fanazavana momba ny fahitany ny zava-misy eto amin’ny firenena ny depiote voafidy tao Betroka, Randrianasolo Jean Nicolas. Nohamafisiny nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny Antaninarenina, fa tsy nisy fanonganam-panjakana mihitsy teto, ka aza resahina intsony izany.
Mifamahofaho ny zava-misy eto amin’ny firenena satria mbola misy ireo tsy maty voalavo an-kibo izay ataon’ireo olona mpanakorontana avy any ivelany, tarihin’ny filoha teo aloha Rajoelina Andry, araka ny fanazavan’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas. Voizin’ity filoha teo aloha ity ny hoe nisy fanonganam-panjakana teto amin’ny firenena ka antony nampiala azy teo amin’ny fitondrana. « Tsy tokony ho resahina intsony izany. Tsy nisy fanonganam-panjakana izany fa teny iray fotsiny nataon’ny kolonely Randrianirina Michaël teny amin’ny toby Capsat no nampitsoaka azy any ivelany. Tokony miaiky izy (ny filoha teo aloha io) fa tsy nisy fanonganam-panjakana mihitsy teto », hoy ity solombavambahoaka ity. Nilaza izy fa tsy mpisolovava ny fitondram-panjakana fa miara-mahita kosa ny ezaka ataon’ny fitondrana. Nolazainy fa efa mba mihena tsy toy ny teo aloha ny delestazy satria io resaka delestazy io rahateo no pitik’afo nampiongana ny filoha teo aloha. Jereo ny fanamboaran-dalana sy ireo fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka. « Tsy natao hamaha ny olana nataon’ny fitondrana teo aloha ny fitondrana Fanavaozana amin’izao. Tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fanarenana ny firenena efa potika an-taonany maro. Na izany aza anefa, efa miezaka ny filoha, Kly Randrianirina Michaël, ka tokony hampiana izy », hoy hatrany izy. Nitodika tany amin’ireo mpanakorontana ny ezaka ataon’ny fitondrana Fanavaozana izy ka nilaza fa ampitahorina foana ny fanjakana amin’ny fiarahana amin’ireo firenen-dehibe toa an’i Rosia. Misy ireo olona mitady seza ka rehefa tsy tafiditra sy/na tsy noraisina tao anatin’ny fitondram-panjakana dia lasa mitsangana ho fahavalo hanohitra izao fitondrana mijoro izao, indrindra fa ny ezaka ataon’ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël.
Jean Claude




