Hotanterahina anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny Kianjan’Andohalo ilay hetsika lehibe tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena.
«Andro iray, kolontsaina arivo», hamerenana sy hampahafantarana indray ireo kilalao fanaon’ny Malagasy fahiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanorona, katro, vitsilihy, fampiadiana ravina, sns. Ankoatra ireo, hisy ny fampianarana mamboatra harendrina. Manomboka amin’ny 3 ora tolakandro kosa ny fanehoana ny hakanton’ny vakodrazana miaraka amin’ny tarika Raozy Gasy.
Fahiny, iray amin’ireo nampiasana ny tokotany (ho an’ny trano tsirairay), tokotanibe ho an’ny mpiray tanàna ny hetsika tahaka izao. Ankehitriny, vitsy dia vitsy sisa no ahitana izany, indrindra fa any amin’ireo tanàn-dehibe. Noho izany, voafetra ihany ny fahafahan’ny ankizy milalao miaraka. Tranga izay niteraka fiolonolonana teo amin’ny Malagasy taty aoriana.
… Tokony hisy hetsika tahaka izao hatrany isaky ny fotoana tsy handehanan’ny mpianatra any an-tsekoly. Tsy toerana tokana, fa afaka manatanteraka izany avokoa ny rehetra amin’ny alalan’ireo rafi-pitantanana misy. Ohatra, fokontany, fikambanana samihafa, sns. Mitaky fandraisana andraikitra eo amin’ireo raiamandreny ihany koa ny fanatanterahana ny famerenana ny kilalao malagasy fahiny.
HaRy Razafindrakoto




