Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Ankorondrano, ny fankalazana manetriketrika ny faha-35 taonan’ny Madagacar National Parks (MNP) izay notronin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarison Mamitiana….
“Fanorenana ny 35 taona lasa, famaritana ny lova ho an’ ny taranaka kosa ny 35 taona manaraka manomboka eto”, hoy ny tale jeneralin’ny MNP, Rakotoarisoa Ony.
MNP manakaiky kokoa ny vahoaka, manampy amin’ny fampandrosoana ary mampifandray ny natiora sy ny fiainana andavanandro no tanjona.
Mitahiry ireo ala mikitroka, tendrombohitra sy hantsana miavaka, ny haran-dranomasina sy ny tontolo voanjahary ary ireo karazam-biby sy zavamaniry tsy fahita afa-tsy ety Madagasikara ireo valanjavaboahary 49 tantanany, ao anatin’ny velaran-tany 3,3 tapitrisa ha. Faritra arovana vaovao miisa 6 no nampidirina ho fanohanana ny ezaka maneran-tany amin’ny fiarovana ny zavamananaina sy ny tontolo iainana.
Misy andraikitra lehibe sy iraka ary asa atao hahafahan’ireo harena ireo mijoro sy maharitra. «Fa teo indrindra ny MNP izay nijoro nandritra ny 35 taona nitondra izany andraikitra izany tamim-paharetana sy tamim-pahatokisana», hoy hatrany ny tale jeneraly.
Mitantana ny tambajotran’ireo toerana arovana lehibe indrindra eto Madagasikara ny MNP. Nandritra ny taona maro, niatrika karazana fanamby navaivay. Noho ny ezaka nifarimbonana anefa, voatazona ho ambany ny tahan’ny fahasimban’ny ala tamin’ireo valanjavaboahary tantanan’ny Madagascar National Parks.
Tatiana A




