Hetsika Rohy “Mahaela ny vahaolana ny fahataran’ny fikaonandoha”

“Mety mahataraika ny vahaolana ny fiandrasana na fahataran’ny fanombohan’ny fikaonandoham-pirenena sy ny paikady hametrahana azy ho amin’ny fanavaozana andrandrain’ny maro amin’ny fitantanam-pirenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny tale mpanatanteraky ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, teny Ambatonakanga ny faran’ny herinandro teo. Rehefa anontaniana, ohatra, ny tokony handravana an’ireo rafitra tsy mahomby amin’ny fitantanam-pirenena, anisan’ny va­lin-teny matetika re ny hoe tokony hiandry ny fikaonandoham-pirenena izay. Tokony ao amin’ny fikaonandoham-pirenena no hiainga izay fandravana izay, na hoe tsy tokony ho izay aza. “Satria fikaonandoham-pirenena ve hisy mihoatra ny olona an-tapitrisa tonga teny an-dalambe, nitaky ny fandravana ny fitondrana teo aloha sy ny rafitra miaraka aminy?”, hoy izy.
Re hoe tokony hisy ny komity mpitantana hiarahan’ny rehetra mandray anjara ao anatin’ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Nefa hatramin’izao, tsy mbola fantatra hoe: iza marina no hampandraisina anjara amin’
izay komity mpitantana izay na komity teknika? Miezaka hatrany ny fiarahamonina sivily sy ny vondrona tanora Gen Z mifandray ary manao tolo-tanana, raha misy tokony hiaraha-miasa. Mba hahazoana manafaingana sy mametraka ny paikady hitondrana azy sy hahazoana mifanentana amin’ireo tokony handraisana anjara amin’izay fikaonandoham-pirenena izay. Hatramin’ izao, tsy mbola misy valiny hifanakalozana na tokony hiaraha-miasa izay. Heverina fa mahavita ao anatin’ny fotoana tokony hilana azy ny eo ani­von’ny FFKM sy ny fitondram-panjakana manao tantsoroka aminy.

R. Nd.

Partager sur: