Andrasana fatratra amin’izao ny fakan-kevitra amin’ny fikaonandom-pirenena. Misy ny efa tsindrin-daona fatratra, ao ny vonona dia vonona… Teo rahateo ireo nahavita fikaonandoha ho azy manokana, na isan-tsehatra na sokajy. Hanao ahoana? Tsy ilaozan’izay ahiahy tsy ihavanana: rahoviana marina no hanomboka, ahoana ny fandaminana, ny fomba fiasa… ? Tsy moramora na handeha ho azy, ohatra, ny hoe fakan-kevitra miainga eny ifotony na fokontany. Hiara-kiainga ve ny fokontany manerana an’i Madagasikara sa… ? Iza avy marina ny ho mpandray anjara… ? Tsy moramora koa ny hoe ny rehetra no antsoina handray anjara, tsy misy hevitra azo ailika… Tena mila fandaminana matotra sy maoritra tsara, fanazavana amin’ny antsipiriany…
Fakan-kevitra miantoka ny fijoroan’ny Repoblika vaovao ho amin’ny fanavaozana io, miantoka koa ny hoavin’ny taranaka… Hanao ahoana? Tsy lavina, misy ny velom-panahiana be ihany fa mety ho torapo no ho betsaka amin’ny hoe fandraisan’ny rehetra anjara. Ahina ny gaboraraka? Izay koa no ifamarafarana amin’ny fakan-kevitra: tsy fanangonan-kevitra fotsiny, fa tena fakan-kevitra. Hevitra misy fakany na fototra mazava izany amin’izay tena mahasoa ny vahoaka sy ny firenena. Indrindra izay tsy hiverimberenan’ny krizy sy korontana politika intsony… Izay no nampahantra vahoaka hatramin’izay? Mahatonga ny firenena sasatry ny miarina… Amin’ny fikaonandoham-pirenena dia efa tokony ho hita sy hiainana ny hoe fanavaozana? Na amin’izao fanomanana izao aza izany: mby aiza?
Na eo amin’ny fandaminana izany, na fomba fiasa… Fakan-kevitra ho amin’ny tena fanavaozana sy fanovana? Ho hita eo… Ny tena ihany no antony. Izay ataon’ny tsirairay ho an’ny rehetra, izay ataon’ny rehetra ho an’ny tsirairay…
R. Nd.




