Hasina Youth Bootcamp: manova ny hevitra ho lasa tetikasa maharitra

Vonona hanohana ny ta­nora mandraharaha eo amin’ny sehatry ny Kolontsaina sy ny famoronana (ICC) ny Zafy Tody sy NextA amin’ny alalan’ny fandaharanasa «Hasina Youth Bootcamp». Hetsika hatao ny 8-11 jolay eny amin’ny Cité des Cultures, Antani­na­re­nina. Kendrena ny hanofanana tanora miisa 30 ka aha­fahan’izy ireo manova he­vitra ho lasa tetikasa maha­ritra izay fanoitra amin’ny fa­moronan’asa sy hampandrosoana ny toekarena. Ken­dre­na ma­­nokana ny sehatry la­maody, ny hosodoko, ny asa tanana, ny horonantsary, fa­kan-tsary sns. “Amin’ny maha-incubateur dia nitsiry ny hevitra hanomezana fiofanana ny tanora mba hananan’izy ireo orinasa maharitra”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Zafy Tody, Razana­dam­bo Nantenaina. Hifantoka amin’ny fototra iorenan’ny fandraharahana ny fiofanana. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fomba fitantanana ny orinasa, ny fa­metrahana ny marika, fanolorana tetikasa sns.

Tohana
Hojerena mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika ny sanda fanampin’ilay tetikasa. Ao anatin’izany ny vokatra sy ny tolotra ataony. Hisitraka to­hana avy amin’ny Zafy Tody mandritra ny enim-bolana kosa ireo tetikasa telo mendrika in­drindra, raha ny fanazavana ha­trany. Marihina fa maimaimpoana ny fandraisana ny atontan-taratasin’ireo tanora maniry hisitraka ny fiofanana. Mbola hi­tohy hatramin’ny 27 jona izany.

Henintsoa

Partager sur: