Nitombo iray ny orinasa mijoro ara-dalana hisehatra eo amin’ny fikarakarana lanonana. Tontosa tetsy Tsiadana, omaly, ny fampahafantarana ny fijoroan’ny MK Pro sy ny asa hosahaniny.
«Tokony hiroborobo ny fandraharahana eo amin’ny fikarakarana lanonana satria manan-talenta ny Malagasy », hoy Manjaka Rakoto David, mpanorina ny MK Pro, omaly, tetsy Tsiadana. Faharoa, homena lanja ny mpanakanto. Fahatelo, tsy ampy ireo mirotsaka eo amin’ny fandraharahana amin’ny fikarakarana lanonana, raha ny fanazavany hatrany. Anisany antony nananganana ho ara-dalana ny MK Pro ireo. Anisan’ny fomba fijery vaovao hoentin’ity orinasa ity hiatrehana ny zava-misy ankehitriny amin’ny fikarakarana lanonana, ny fanambarana ny hery eo amin’ireo samy misehatra amin’io asa io. Izay no mahatonga ny MK Pro, hiara-hiasa amin’ny mpikarakara lanonana eto an-toerana sy hatrany ivelany. « Tokony ho hitam-poko ho hitam-pirenena, eto an-toerana sy manerana izao tontolo izao fa mahay zavatra ny Malagasy. Hiezaka ny hitondra ireo mpanakanto ireo manerana an’i Madagasikara izahay, mialohan’ny handehanany any ivelany », hoy hatrany Manjaka Rakoto David.
Hisantatra ny hetsika i Mandresy Jackson
Ny asabotsy 25 febroary izao, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina, ao amin’ny Espace Rojo Antsirabe no hanatanteraka « Showcase » i Mandresy Jackson (The Jackson Boys) na ilay tovolahy namerina ny fihetsik’i Mickael Jackson eny an-tsehatra. Raha tsiahivina, nampiaiky ireo nahita azy na teto an-toerana na tany ivelany ny fahaizany. Hetsika santatra hiarahan’ny MK Pro miara-miasa amin’ny Ecole Supérieure de Développement Economique et Social (Es.Des). Nomarihin’i Manjaka Rakoto David fa na eo aza ny fahasahiranana eo amin’ny firenena, « hametraka ny lanjan’ny kanto sy ny mpanakanto hatrany izahay, ary ho mpitarika fa tsy ho taritina ».
«… Sarotsarotra ny mamokatra mpanakanto vaovao. Na izany aza, ny MK Pro dia manasa ireo tena te hisehatra ao anatin’ilay tontolo. Misy fepetra jerenay amin’izany. Hiezaka izahay hanampy azy ireny. Izahay rahateo manana mpampianatra (coach) afaka mampianatra. Izay vao misehatra any amin’ny fampisehoana», hoy hatrany ity mpampianatra sady mpandraharaha ity.
HaRy Razafindrakoto