Tsy “Face à face” ny “Amour’Rire”. Saika hatsikana niaraha-niketrika no hatolotry ny tarika Fou Hehy sy ny tarika Etsetra Etsetra, mandritra ilay fampisehoana “Amour Rire” andiany faharoa. Hotontosaina rahampitso alahady, etsy amin’ny CC Esca Antanimena io, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
“Niara-niketrika ny seho nandritra ny andro maromaro izy efa-dahy. Saika famoronana vaovao sy iarahana avokoa, araka izany, no hatolotra ao. Misy ampahany hoe samy hanaony ny azy ny tarika tsirairay, saingy hibahana kokoa ny fiarahana”, hoy ny nambaran’i Luc Hervé, mpikarakara ny hetsika.
Anisan’ireo andrasan’ny maro, ohatra, ny hatsikana toy ny tamin’ny andron’ny “Torak’hehy”, izay niandraiketan-dry Honorat sy i Eric. Miresaka ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, izay mampiomehy. Eo ihany koa ny “Zisy sy Lenina”, izay mampiavaka an’i Riri sy Aldini: fosafosan’ny vaviantitra roa, tsy mifidy fitenenana ary tsy ampoizina… Mazava loatra fa eo koa ny “Vazovazy”, hanovan’izy mirahalahy ny tononkira ho hatsikana, izay hisy ampahany iarahan’ny tarika roa tonta.
“Haharitra ora roa sy sasany ny seho. Mba miova kely amin’ny mahazatra ny endri-pialamboly ilain’ny olona amin’izao fotoana, ka izay no niantefan’ny safidy tamin’ny Fou Hehy sy ny Etsetra Etsetra tamin’ity andiany faharoa ity. Tsy ireny fanaon-dry zareo rehefa manentana lanonana ireny fa forona vaovao mihitsy ny ankamaroan’ny hatsikana hatolotra amin’io”, hoy hatrany ny mpikarakara.
Zo ny Aina