Manamarika ny faha-30 taona nijoroany ny Radio Don Bosco amin’ity taona ity. Nambaran’ny tale mitantana izany, ny mompera Randriamiandrinarivo Franck, fa mifototra amin’ny fotom-pampianarana katolika sy ny fitoriana ny evanjely ny onjam-peo. « Manabe mpihaino, indrindra ny tanora mba ho olom-banona sy mendrika», hoy izy, ny herinandro lasa teo, teny Ivato. Nanteriny fa mikendry ny fampivoarana manontolo ny mponina amin’ny alalan’ny karazam-pandaharana toy ny fampahalalam-baovao, fanabeazana ara-panahy, kolontsaina sy fahasalamana ary ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny, ny radio. Tafiditra amin’izao fanamarihana ny faha-30 taon’ny Radio Don Bsoco izao ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra ny alarobia 24 jona ho avy izao, eny amin’ny foiben’ny onjampeo, eny Ivato.
Mbola hisy ny seho an-tsehatra ataon’ny mpiasa ho fanamarihana izao tsingerin-taona izao.
Tsiahivina fa vinan’ireo pretra avy amin’ny fikambanana salezianin’i Don Bosco tonga teto Madagasikara, ny taona 1981, ny firotsahana amin’ny sehatry ny fifandraisan’ny mpiara-belona. Tafiditra ao anatin’izany ny « Projet Afrique ». Nankatoavin’ny lehiben’ny fikambanana izany ny taona 1994. Nanomboka teo ny fanofanana ireo mpiasa, namaky lay tao amin’ny Radio Don Bosco ny taona 1995 sy ny 1996.
Notokanana kosa izany ny 27 jona 1996. Nanomboka teo ny ezaka nizara ny kanto sy ny tsara. Namakivaky ny fivoaran’ny teknolojia ny onjampeo avy eo ary efa mirotsaka amin’ny famokarana horonantsary koa izy ireo, ankehitriny.
Synèse R.




