Kly Rampanarivo: « Mila madio koa ny toe-tsaina »

Anisan’ireo niatrika sy nitarika ny hetsika fanadiovana faobe tao an-drenivohitry ny Faritra Vakinankaratra, Antsi­rabe, ny Mpanolotsaina avon’ny Fanaovana ny Re­poblika, ny Kly Rampanarivo Thierry sy ny minisitry ny Rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana, ary ny lehiben’ny Faritra Vakinan­karatra, Ravaonirina Nathalie Sébastienne. Namba­ran’ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny Fanaovana ny Repoblika ity fa fanovana ny toe-tsaina ho tia fahadiovana no tanjon’izao hetsika izao. « Tsy ny fahadiovana hamafa lalana ihany anefa fa hatrany amin’ny toe-tsaina mba ho toe-tsaina madio hitondra mankany amin’ny fampandrosoana », hoy hatrany izy. Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana, misy ny hetsika fifaninanana fokontany madio amin’ireo fokontany 192 ka ho an’izay mandresy dia hisy ny fanohanana azo entina manatsara ny tanàna. Marihina fa hatramin’ny faran’ny volana jolay ho avy izao no hitsarana ireo fokontany tena madio ireo.

Jean Claude

Partager sur: