Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra marolafy. Izay no nifanakalozana sy nisongadina tamin’ny nanoloran’ny masoivoho vaovaon’ny Repoblika Islamika Iraniana eto Madagasikara, Sem Sabzali Alizera, ny taratasy fanendrena azy ho an’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly.
Tamin’ny fihaonana, naneho ny fanirian’i Iran hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny masoivoho vaovao. Nambarany fa mifameno ny toekaren’i Iran sy i Madagasikara. Satria mila ireo loharanon-karena maro misy eto Madagasikara i Iran. Tsy toy ireo harena vitsivitsy izay heveriny fa ilain’i Madagasikara amin’izao fotoana izao izany. Na izany aza, tsy miafina fa somary mangingina sy nangatsiatsiaka ihany ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta tato ho ato na talohaloha teo. Izay indrindra no anisan’ny antony irosoan-dry zareo amin’izao dingana diplaomatika izao, ho fanomezana aina sy famelomana indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra marolafy.
Raha tsiahivina, efa 40 taona mahery no nisy ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’ny Repoblika Islamika Iraniana sy i Madagasikara. Fifandraisana marin-toerana, miompana indrindra amin’ny sehatra ara-toekarena, toy ny jono. Eo koa ny lafiny sosialy, toy ny fahasalamana.
R. Nd.




