Toy ny isan-taona, maro ny manao asa sosialy isam-pokontany. Misy ny fizarana harendrina sy vatomamy ho an’ny ankizy, solombodiakoho ho an’ny zokiolona. Hiavaka ny fankalazana amin’izao Fanavaozana izao.
Fokontany maro eto an-drenivohitra no nisitraka fizarana vatomamy sy harendrina ary solombodiakoho avy amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Anisan’ny nisitraka izany ireo ankizy miisa 5 000 teny amin’ny fokontany Ankorondrano Atsinanana, Ankorondrano Andranomahery, Ankorondrano Andrefana, Ankazomanga Andraharo, Tsaramasay, Avaradoha, Mahavoky, Betongolo.
Notolorana fotsimbary sy solombodiakoho ny beantitra rehetra tao Ankorondrano Atsinanana, izay anisan’ny fokontany ahitana olona marefo sy sahirana ara-pivelomana maro indrindra ao amin’ny boriborintany fahatelo. Miisa 170 izy ireo no nahazo tohana manokana tamin’ny solombavambahoaka, Rakotoharitiana Navalona Francky. Nilaza ity farany fa zava-dehibe mandritra ny Fanavaozana ny fivoizana ny fihavanana anatin’ny fifampitsinjovan’ny mpiara-belona. Ho mariky ny fitiavan-tanindrazana ny fanajana ny soatoavina malagasy tahaka izany. Mifanentana rahateo amin’ny lohahevitra nitondrana ny fankalazana mandritra ity taona 2026 ity izany.




