Vonona hanatanteraka ny matso lehibe eny Mahamasina, rahampitso, ny Foloalindahy, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny minisitry ny Foloalindahy. Vita tamin’ny 23 jona lasa teo ny famerenana farany ho an’ny matso miaramila sy sivily, nanamafy ny fahavononan’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS) sy ny mpandray anjara rehetra. Mahatratra 3 800 ny mpandray anjara amin’ny matso, hanomboka amin’ny 10 ora maraina. Efa tomombana sy tsara omana avokoa ny fepetra rehetra hiantohana ny fahombiazan’ny lanonana sy ny fandriampahalemana. Araka ny lohahevitry ny fankalazana: “Fanavaozana ho fampandrosoana an’i Madagasikara” izay.
Anisan’ny vaovao andrasana sy hampiavaka ny lanonana ny fandraisana anjaran’ireo mpianatra lefitra voalohany amin’ny manamboninahitra. Anisan’izany ny vehivavy, haneho ny fampandrosoana sy ny fisokafan’ny Tafika Malagasy. Eo koa no ahitan’ny besinimaro ireo fitaovana sy kojakoja ampiasain’ny mpitandro filaminana, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena, toa an’i Rosia, sy ny ezaka ataon’ny fanjakana. Tafiditra ao anatin’ny vina hanakaiky ny mponina hatrany izany. Toy izany koa, hanamafisana ny fahaiza-mamita iraka ampanaovina azy ireo manerana an’i Madagasikara. Handray vahiny manan-kaja maromaro i Madagasikara amin’izao fankalazana ny 26 jona izao. Anisan’izany, ohatra, ireo filoha nasain’ny filohan’ny Fanavaozana tamin’ny fitsidihana nataony tany ivelany. Eo koa ireo olo-manan-kaja eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Noho izany, ho hentitra ny fepetra fiarovana azy ireo sy ny vahoaka.
Hisokatra amin’ny 5 ora sy sasany ny vavahady, ary manomboka amin’ny 8 ora sy sasany ny seho sy hetsika isan-karazany, alohan’ny hanombohan’ny matso.
R. Nd.




