Fetim-pirenena: hisy podium goavana eny Mahamasina

Toy ny mahazatra, hitohy amin’ny « podium » goavambe ny matso etsy Mahamasina. Mpanakanto malaza maro no hanafana izany. Hisy koa isam-paritra.

Anatiny tanteraka. Efa andro maromaro izay no nanomboka ny fanamarihana ny faha-66 taona niverenan’ ny Fahaleovantena, izay sady fetim-pirenena malagasy. Anio sy rahampitso kosa ny ivon’ny fankalazana, manerana ny Nosy. Toy ny mahazatra isan-taona, hisy ny matso lehibe hatao eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, ny 26 jona, satria fetin’ny Foloa­lindahy ihany koa izany. Hialohavan’ny seho ara-javakanto sy ara-pilazantsara. Mampanantena seho miavaka ireo hanatontosa izany, na ho an’ireo hijery mivantana eny Mahamasina, na ireo hanaraka amin’ny fahitalavitra.
Hitohy amin’ny « podium » goavambe kosa izany ny tolakandro. Mpanakanto maro no nantsoina manokana hanafana ny fotoana. Anisany ry Iraimbilanja, Mahaleo, Bolo, Nate Tex, Thierry Kougar, Stéphanie, Ken, Théo Rako­tovao, Telofangady, Kaiamba, Sakateboy, Da Hopp, Young Jeff, sy ny maro hafa. Nosa­fidiana manokana ho avy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, sy mivoy gadona maroloko ihany koa ireo tarika ireo. Fanehoana ny firaisam-pirenana amin’ny alalan’ny zavakanto hatrany mantsy no voizina.
Mialoha izany, hotontosaina amin’ny 25 jona ny afomanga lehibe, etsy Anosy. Tsy lavitra eo koa ny « podium », ho fampifaliana ny rehetra. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ry Ndondolah sy Lucia, Njakatiana, Mijah, Samoëla, sns, mialoha ny afomanga. Miato kely izany, avy eo, mitohy ihany. Efa misy afomanga ihany koa nomanina any amin’ireo renivohi-paritra, ankoatra ny « podium ».
Mbola anatin’ny fankalazana hatrany ny namoahan’i Ken hira manokana, manodidina izany. Eo koa ny fanentanana ny rehetra amin’ny fitafiana malagasy, ny andron’ny ra­ham­pitso 26 jona.

Zo ny Aina

Partager sur: