Miantso firaisankina ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, mba hanatrarana ny tena fahaleovan-tena. Nohamafisiny fa mbola miankindoha tanteraka amin’ny firenena vahiny i Madagasikara ka zary miaritra fahatany ny fanatontoloana.
Nanao lahateny fohy ho an’ny vahoaka malagasy, halina, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël. Nivoitra, tamin’izany, ny fanambarany fa mbola tsy mahaleo tena i Madagasikara, mbola miankindoha tanteraka amin’ny firenena vahiny : «Tsy mbola tratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Miankina amin’ny firenen-kafa ny famatsiana angovo. Miankina amin’ny vahiny ny fanafody sy ny fahasalamam-bahoaka. Mbola ny firenena any ivelany no mamatsy vola ny lafiny sosialy. Torak’izany ny lafiny politika», hoy izy.
«Vokatr’izay faharefoana izay, zary miaritra be fahatany ny fanatontoloana isika. Zary manaraka ambokony hatrany amin’ny lafiny kolontsaina izany», hoy hatrany ny fanambarany.
Manoloana izany, nanao antso avo amin’ny vahoaka tsivakivolo ny Filohan’ny Fanavaozana. «66 taona, niverenan’ny fahaleovantena dia tsy midika ho fety fotsiny. Fotoana izao handinihin’ny tsirairay tena. Fotoana handinihina lalina amin’ny fitiavan-tanindrazana sy ny anjara biriky ho an’i Madagasikara. Mitaky firaisankina sy firaisam-po lehibe ny fametrahana fahaleovan-tena tena izy», raha ny nambarany hatrany. Hany fahavalo tokana iombonana ny ady amin’ny fahantrana no namaranany ny fanambarany.
Famelan-keloka
Toy ny fanaon’ny filoham-panjakana na filohan’ny Repoblika rehefa tononandron’ny Asaramanitra tahaka izao dia misy hatrany ny fanalefahan-tsazy na ny famotsoran-keloka. Namoaka ny didim-panjakana mifanaraka amin’izay ho an’ireo mendrika ny hisitraka izany izy. Napetrany eo am-pelatanan’ny manampahefana isan-tsokajiny sy isan’ambaratonga ny fanatanterahana izany.
Ankoatra ny fanalefahan-tsazy, naneho fisaorana ny mpandray anjara tamin’ny matso lehibe natao omaly izy. Nahazo 24 ora hakana aina ny rehetra nanatontosa ny fety nentina nanamarihina ny niverenan’ny fahaleovan-tena.
r.r




