Notanterahina teny amin’ ny Kianjan’ny Barea Mahamasina, omaly, ny lanonana fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena sy ny faha-66 taona nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Nanetriketrika ny fankalazana. Toy ny mahazatra, nisy ny matso lehibe, nahitana mpandray anjara
3 800 isa.
Filoham-panjakana roa nanome voninahitra ny fotoana. Anisan’izany ny filohan’ny vondro-nosy Kaomoro, Azali Assoumani sy ny filohan’ny Repoblikan’i Kenya, i William Samoei Ruto. Nisolo tena ny filohan’i Gabon kosa ny filoha lefitra, i Hermann Immongault.
Ny tena nampiavaka ny tamin’ity taona 2026 ity dia ny fahamaroan’ny fitaovana vaovao, azon’ny Tafika Malagasy. Toraka izany ny fameloma-maso ny Jenia Miaramila. Teo koa ny fisian’ny vehivavy voalohany, mpiofana ho manamboninahitra lefitra avy any amin’ny ENSOA Antsirabe.
Feno hipoka ny Kianja Barea. Nanampy be ny mponina ny fahamaroan’ny fiara lehibe nitatitra olona, avy
amin’ny toerana samihafa. Tsy ny teto anivon-tanàna ihany fa hatrany amin’ny kaominina manodidina.
Fitia Randria




