Mbola be ny adidy !

Tena nahafinaritra ny fety ! Toy ny isan-taona, nahoraka ny fampisehoana sy ny afomanga nanerana ny distrika. Raha atao bango tokana, nahafapo ny mpankafy ny hetsika rehetra. Nakotrokotraka ny fety. Samy nanao izay ho afany ny manampahefana isan-tsokajiny. Vanim-potoana nentina namaly babena ny olona nifidy sy nandatsa-bato izany ho an’ny olom-boafidy. Samy nitondra ny anjara birikiny araka izay teo am-pelatanana na izay azo tany ambadika tany.
Etsy ankilan’izay anefa, sanatrian’ny vava ka hoe fanatsatsoana fa feno fitaka ihany ny zava-miseho ta­min’ny toerana sasany. Tsy vokatry ny fo sy ny fitiavana no nahatongavana nifety fa takalom-patsa vidim-pihinanana. Toa nanao rodobe ny vahoaka satria notambazana solon-tsakafo sy solona saran-dalana. Efa entin’ilay fahantrana ka roboka ny ankamaroany. Nilomay namonjy fety, kinanjo nivadihan’ny tiatiakely sy matim-bola. Hany ka niala maina, nody tamin’ny tanam-polo.
Ankoatra izay, betsaka ny fanampiana nozaraina teny ifotony no fiatsarambelatsihy. Ny an’ny sasany, fanampiana nangatahina tamin’ny malala-tanana sy ny mpiara-miombon’antoka no nentina nambabo ny mponina. Toa
« mesia » mitondra famonjena sandoka sy sadasada ihany. Tsy manamavo ny hetsika fa mampisaina mahakasika ny « fahamarinana » sy ny maha izy azy ny mpanolotra. Vanim-potoan’ny fitiavana ny mpiray tanindrazana izao ka tsy tokony ho ankosotra fotsiny.
Ny resaka no tsy atao be, samy mamisavisa sy misaina izay nataony ho an’ny tanindrazana sy ny mpiray tanindrazana fotsiny aloha. Tsy misy afaka ny hirehareha ho mahavita be fa ny hoe mbola hanao be no izy. Maromaro ny adidy miandry ka tsy tokony ho sodokan’ny endrika ivelany fotsiny ihany!

r.r

Partager sur: