Niaraka nankalazaina ny 23 jona teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (JME) sy ny Andro fiarovana ny zavamananaina hiadiana amin’ny fahangazan’ny tany, ho an’ny faritra Atsinanana. Tany Ambodiriana, distrika Toamasina II no nanatanterahina ny fotoana, ao anatin’ny Faritra arovana Betampona. Miisa 2 000 ny zana-kininina nambolena any an-toerana. Nankahery sady nankasitraka ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Dredd) Atsinanana ny lehiben’ny faritra, Razafiarison Jean Jugus, nisafidy ny kaominina Ambodiriana, nanatanterahina ny fotoam-pankalazana. Nosinganiny fa raha ritra ny rano dia ho ringana ny ala sy ny zavamananaina, araka ny teny filamatra « Arovy ny tanintsika sy ny zavamananaina ».
Marihina fa nosafidiana ny 23 jona teo ho an’ny faritra Atsinanana, satria hatao ny 28 jona, any Morondava, ny ivon’ny fankalazana ofisialy eto Madagasikara. Ny 5 jona kosa no tena Andro iraisam-pirenena.
Sajo




