Kolonely Randrianirina Michaël : Hitsidika ny Siranala sy ny Sucoma

Nigadona any Morondava, omaly hariva, ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël. Tafiditra anatin’ny fandaharam-potoany ny fitsidihana ny orinasa Siranala sy ny dinika amin’ny mpiasan’ny Sucoma.

Manatanteraka fitsidihana any amin’ny faritr’i Menabe, ankehitriny, ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël sy ny delagasionina tarihiny. Votoatin’ny fidinanana ifotony ny politika manakaiky vahoaka. Mitarika ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazanjavamananaina (JIB), ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME), ary ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny fihangazanana sy ny haintany (JMDS), any an-toerana ihany koa, izy.
Tafiditra ao anatin’izay resaka tontolo iainana izay ihany koa ny fijerena akaiky ny fahalotoan’ny ranomasina ao an-toerana sy ny fikaohany ny morontsiraka. Hisy ny fifanakalozan-kevitra hataony amin’­ ny mponina any an-toerana.

Hetsika maro

Maro ny hetsika nokarakarain’ny tomponandraikitra any an-toerana, nanararaotana izao fahatongavan’ny Filoha izao. Nisy ny diabe narahina fanentanana isan-karazany izay naompana tamin’ny lohahevitra: «  Ny fiarovana ny tontolo iainana dia antoky ny hoavy maitso sy maharitra ho an’i Madagasikara ».
Aorian’ny fandraisany anja­ra amin’ny sehatry ny tontolo iainana, hitafa mivantana amin’ny mpiasa eo anivon’ny Sucoma ihany koa ny Kly Randrianirina Michaël. Hitsi­dika ny orinasa mpamokatra siramamy, Siranala, avy eo.
Marihina fa manara-dia azy any an-toerana ny solombavambahoaka maromaro sy minisitra vitsivitsy ao anatin’ny governemanta.

r.r

Partager sur: