Mangingina ny tontolo politika taorian’ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena sy ny nijoroan’ny Foloalindahy? Afa-pety… Na izany aza, tsy mandrimandry manana aretina. Andrasana fatratra ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Hanao ahoana? Tsy mety ny hoe ho hita eo.. Na hoe eo am-pandrasana mahita ny atiny. Tsy efa tokony hisy fiovana sy fanorenana ifotony mazava ve ny fomba fiasa amin’ity hoe fanavaozana? Tsy mety intsony ny kitsapatsapa, sarin’ady, fombafomba, entim-pahazarana… Tsy efa misy azo tarafina ve izay amin’izao fanomanana ny fikaonandoham-pirenena izao? Mba tsy ho resaka fotsiny ny hoe miainga eny ifotony na fokontany, mampandray anjara ny rehetra, tsy misy hevitra ailika, atao mangarahara…
Mila, atao antsipiriany sy mitohy ny fanazavana ny amin’izay hanombohana azy, ny fomba fiasa, izay ho mpandray anjara… Resahina matetika sy mahasaro-piaro fa ain-dehiben’ny firenena. Miantoka ny hoavy sy ny taranaka. Hatramin’izao, misy lafiny mila fanazavana: ny amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana ary ny lalàna momba ny antoko politika ihany ve, ohatra, no hodinihina sy handravonan-kevitra? Nefa eo ny sehatra hafa toy ny fampianarana, fahasalamana, famoronana asa, fitsinjaram-pahefana… Efa nisy ny sehatra na sokajy nanao fikaonandoha manokana ho azy, ary nandravona izany tamin’ny hoe hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena. Sao tsy mifankahazo ny resaka?
Dieny tsy mbola misy mivoaka avokoa izay atao, aleo hazavaina ny raharaha. Ndrao mampiady… Ny ady tsy ahina, hono, mahatratra. Mila mailo fa tsy kely lalana ny ratsy. Ny fifampiresahana mazava ihany no mampilamina hisian’ny fifampitokisana. Firenena no haorina ifotony na havaozina, fa ny olan’ny mpanao politika ihany no hovahana…
R. Nd.




