Rwanda — Madagasikara : Nohamafisina ny fiaraha-miasa

Anisan’ny vahiny manokana tamin’ny fankalazan’i Ma­da­gasikara ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny fijoroan’ny Foloalindahy malagasy ny minisitry ny Atitany avy amin’ny Repo­blikan’i Rwanda, i Nasser Biruta. Nisolo tena manokana ny filohan’i Rwanda, i Paul Kagame, izy.
Nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady lehiben’ny diplaomasia malagasy, i N’Diaye Alice, teny Anosy, izy, ny faran’ny herinandro teo. Noresahin’ny roa tonta tamin’izany ny fivoaran’ny fiaraha-miasa efa misy. Ankoatra izay, ny vina sy ny fahazoana manamafy ny fiaraha-miasa ho amin’ny tombontsoa iombonan’ny firenena roa tonta.
Araka izany, nifantohana indrindra tamin’ny fifampidinihana ny fanamafisana ny rafitra ara-dalàna mifehy ilay fiaraha-miasa. Torak’izany koa ny mahakasika ireo sehatra azo trandrahina. Tsy mijanona amin’ny firenena roa tonta izany fa nojerena ihany koa ny ao anatin’ny faritra afrikanina sy ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Anisan’ny firenena nahavita dingana lehibe sy haingana amin’ny fampandrosoana i Rwanda, taorian’ny famonona olona faobe nataon’ny milisy Hutu ny foko Tutsi, marsa 1990-1993, noho ny fampielezan-kevitra niharo fandranitana sy fankahalana nataon’ny Radio télévision libre des mille collines (RTLM) tany an-toerana. 800 000 Rwandais maty, araka ny tomban’ny avy amin’ny Firenena mikambana (ONU).

R. Nd.

Partager sur: