FANTINA sy FINTINA

“Ny asa ihany no jerena: iza no tena miasa?” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana ry zareo. Ny hamonjena ny vahoaka sahirana izao no tena mahamaika. Tsy miteny sy mangina izy, fa mafy ny mahazo azy any anatiny any. Na iza na iza ka mihatsaravelatsihy, hotsarain’ny tantara eo…
Nandray tamin’ny fomba ofisialy ny asany ny ambasadaoron’i Madagasikara any Frantsa, Ra­bemahefa Michel Frédéric Joro, talohan’ny fetim-pirenena teo, araka ny vaovao voaray, ny faran’ny herinandro. Famindram-pahefana tamin’ny mpiandraiki-draharaha mpisolo toerana, Ratsirimpady Lionel Nariniaina, izany. Any Paris, Frantsa, no miasa ny ambasadaoro vaovao, misahana koa ny masoivohon’i Madagasikara any Espagne, Portugal, Israël, Principauté de Monaco.
Nandray ny asany tamin’ny fomba ofisialy ny masoivoho vaovaon’i Madagasikara any Maraoka, Ratovondrahona Johary, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tamin’izany no nanolorany ny dika mitovy ny taratasy fanendrena azy ho an’ny minisitry ny Raharaham-bahiny maraokanina, i Nasser Bourita. Manokatra dingana vaovao amin’ny fanamafisana ny fifamatoran’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izao nandraisany ny asany izao.

Partager sur: