INDRAY MIJERY

Tontosa ny atrikasa fanombohana ny fanamboarana ny Drafitrasa hanamafisana ny rafitra nasionaly hiatrehana ireo loza mety hateraky ny sakafo tsy azo antoka sy hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fomba fiasa ny dingana, mikendry ny hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sehatra rehetra voakasika amin’ny fisorohana, ny fanaraha-maso ary ny fitantanana ireo loza ara-pahasalamana mifandraika amin’ny sakafo. Noha­mafisina koa ny toerana sy ny andraikitry ny ACSSQDA amin’ny maha rafitra nasionaly misahana ny fanaraha-maso sy ny kalitaon’ny sakafo azy.

Miditra amin’ny herinandro farany, mialoha ny fiatrehana ny fanadinana BEPC, ny mpiadina anio. Mbola miverina an-tsekoly ny mpianatra mamerina ny taranja fototra sy mandray ny fanentanana avy amin’ny mpampianata momba ny fiatrehana fanadinana am-pitoniana. Ny alakamisy sy zoma vao hozaraina ny taratasy fiantsoana. Afaka mijery ny foibem-panadinana ireo mpiadina ny faran’ny herinandro.

Hahazo vahana ny varatraza any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy ka tombanana hahatratra 55 km isan’ora ny rivotra, eo anelanelan’ny tanjona Bobaomby sy i Vohémar, anio. Ahina ny fahasarotan’ny fifamoivoizana sy ny faharendrehana an-dranomasina sy ny fikorontanan’ny asa fihariana andavanandro. Nahazo fampitandremana miloko mavo ny eo anelanelan’ny tanjona Bobaomby sy i Vohémar.

Partager sur: