Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nandalo tany Morondava, Faritra Menabe, ny fiandohan’ny herinandro teo, fa vonona izy hanampy ny Faritra. Amin’ny alalan’ny fahatongavan’ireo depiote 40 any ho any voafidy tany an-toerana tonga tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana izany. Manan-danja ny tontolo iainana ary tsy zanak’Ikalahafa i Menabe, izay anisan’ny faritra tian’ny mpizahatany hotsidihina.
Tsy mbola nihatra ny fitsinjaram-pahefana tena izy, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Tsiroanomandidy, Bongolava, Ranarivelo Fanomezantsoa Lucien. Aleo olom-boafidy no mitantana ny Faritra, ka hisy ny fanomezana fahefana amin’ny fampandrosoana eny ifotony amin’izany. Efa 20 taona mahery no niresahina ny fitsinjaram-pahefana, nefa hatramin’izao mbola olom-boatendry hatrany no mitantana ny Faritra.
Nambaran’ny filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimierampirenena sady lehiben’ny mpanohitra, ny depiote, Milavonjy Philobert, tamin’ny vahoak’Ambovombe, tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa niravona ny disadisa teo aminy sy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianiriana Michaël. Samy zanak’Androy sy miaramilan’i Kristy, ka tokony hifamela. Nisy ny famitranam-pihavanana.




