Hamoraina hifanaraka amin’ny besinimaro ny raharaha rehetra eny anivon’ireo biraom-panjakana. Hampiasana ny teny malagasy manontolo izany, ka hisantatra azy ny zandarimaria.
Amin’ny teny malagasy ranoiray ny raharaham-panjakana rehetra. Tanjona io, fa tsy mbola mihatra akory. Na izany aza, efa miroso mankany amin’izay fampiasana ny teny malagasy tsy misy fangarony izay ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Porofon’izany ny lanonana tsotra fa nanan-danja, omaly, izay nentina ihany koa nanakatonana ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Lanonana izay notontosaina tetsy amin’ny Toby jeneraly Ramarolahy, etsy Betongolo, satria nosafidiana manokana ho ireo zandary no hisitraka voalohany ny fampiofanana amin’ny fampiasana ny teny malagasy amin’ny raharaha rehetra ataon’izy ireo. Ireo zandary mantsy no tena mifanerasera voalohany amin’ny vahoaka malagasy, hatrany ambanivohitra farany lavitra any. Fampahafantarana ireo voambolana, fizarana amin’ny fampiasana azy, fanelezana izany ho voarain’ireo manan-draharaha eny amin’ny zandarimaria no hatao voalohany anaty fiofanana.
Ankoatra ny fanagasiana ny raharaham-panjakana rehetra, misy koa ny tetikasa famolavolana ny boky Feni-panoratana ny teny malagasy, mirakitra ny tsipelina sy ny fomba fanoratana ny teny malagasy eny anivon’ny asam-panjakana ary ho azon’ny rehetra ampiasaina sy kirakiraina, izay volavolain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina miaraka amin’ny ITAZOMA (Ivontoeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary olona Malagasy) eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Araka izany, ny Iray volan’ny teny malagasy no mifarana, fa vao manomboka kosa ireo tetikasa lehibe hanovana tanteraka ny tontolon’ny asam-panjakana ka hametrahana ny teny malagasy ho fitaovana voalohany ifaneraserana.
Zo ny Aina




