210 ireo mpifaninana tany am-boalohany. Samy niezaka naneho ny talentany izy ireo nandritra ny herinandro maromaro. Tontosa ny alahady teo kosa, teny amin’ny Ilo Hôtel Andakana, ny famaranana ilay fifaninanan-kira « Fanilo Voice 2026 ». Tafavoaka tanatin’ny maro, ka nandrombaka ny loka voalohany, i Oncle Si. Nanaraka azy akaiky, teo amin’ny laharana faharoa, i Maëva ary i Shania kosa no fahatelo. Teo amin’ny sokajy manokana ho an’ny ankizy kosa, lasan’i Anna ny amboara ary faharoa i Matteo.
« Ankoatra ny feo samy misongadina, nahay nilalao ny sehatra ihany koa ireo mpifaninana » , hoy ny nambaran’i Christian Salala, iray tamin’ireo mpitsara. Nanamafy izany Rajery, ka nilaza fa « sarotra ny fitsarana, satria sady manan-talenta no mahafaly fa efa mpanakanto hasongadina tsy ho ela ireo mpifaninana ». Mifandray amin’izay indrindra ny tanjon’ny mpikarakara dia ny fanomezana sehatra ireo talenta vao sy hanosika ireo nasongadin’ny fifaninanana amin’ny tohin’ny lalany eo amin’ny mozika. Porofon’izany , ankoatra ireo loka azon’ny tsirairay, hisy koa ny fiofanana ao amin’ny «Fanilo Voice Akademia », ho an’ireo nifaninana tamin’iny andiany voalohany iny.
Zo ny Aina




