Sehatra bagasy volana jolay. Hotohizana amin’ny « Atrikefa bagasy horonampeo » ny lalana nizorana hatramin’izay. Ny sabotsy 4 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ka hatramin’ny 5 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Atsahavola. Famerenana farany ireo hira hatao « guide piano » sy horaisim-peo hoenti-manatanteraka ilay rakikira karakarain’ny Sehatra bagasy, ho lova sarobidy ho an’ny taranaka sy ny tontolon’ny bagasy.
Hotanterahina any Mahajanga ny Zaikaben’ ny fikambanan’ny Mpikabary malagasy maneran-tany na ny Fimpima. Fantatra fa ny 27 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra no hihaona any an-toerana ireo mpikambana izay ahitana ny eto an-toerana sy ny avy any ivelany. Amin’io ihany koa no hanatanterahina ilay hetsika « Herinandron’ny kabary ». Marihina fa ny Zaikabe no rafitra faratampony mifehy ny Fimpima. Avy ao no miainga ireo vina sy tetikasa hotontosaina ao anatin’ny efa-taona. Io ihany koa no fotoana hifidianana ireo hitondra ny ambaratongam-pitantanana misy eo anivon’ity fikambanana ity.




