Miatrika fanadinana bakalorea katolika ny sekoly miankina amin’ny finoana katolika amin’ity herinandro ity, manerana ny diosezy 22. An’aliny ireo mpianatra manatanteraka izany eo anivon’ny sekoly, araka ny fanazavana azo. Manan-danja ho an’ny mpiandraikitra ny fanabeazana katolika ny fanadinana satria azo handrefesana ny fahavononan’ny mpianatra hiroso amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea, izay hotontosaina ny 20 jolay ka hatramin’ny 24 jolay ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika. Mitohy ny 27 jolay hatramin’ny 30 jolay amin’ny dingana faharoa ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa.
Mikarakara fiofanana momba ny Management sy ny fitantanana orinasa ny Pilote d’atteinte des résultats 2 (Par2) de l’Ares sy ny onivesiten’Antananarivo, mandritra ny roa andro (7sy 8 jolay ho avy izao) eny amin’ny Bibliothèque et Archives Universitaires (BU). Natokana ho an’ny mpianatra ao amin’ny Master 2 sy ny doctorants mianatra eny amin’ny oniversite eto Antananarivo ny fiofanana. Tsy maintsy tonga manatrika mivantana ny fiofanana ireo liana ka maniry ny hahazo ny taratasy fanamarinana rehefa mifarana izany. Hatramin’ny zoma ho avy izao ny fisoratana anarana.




