Tsy mahaleo tena marina

 

Raha vao afakomaly no nanindraindra ny filohan’ny Fanavaozana fa tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara dia ny androtr’izay ihany dia iny fa nipoitra avy tao ny SADC sy ny fanambarana miezinezina. Nisafoaka avokoa izay mpanohana ny fitondrana. Namaly bontana izay afaka namaly. Hatramin’ny kolonely aza, namaky bantsilana ny fanoherana izay voalaza satria tsy misy olona nalefa sesitany teto fa nanala tena. Tsy misy gadra politika izao!
Tetsy ankilan’izay, nisafohelika ny mpanohana ny filoha Rajoelina Andry sy ireo voalaza fa « firongony ». Miandrandra ny fiverenany an-tanindrazana ny ankamaroany. Iaraha-mahalala rahateo fa efa maromaro ihany izay latsa-panenenana izay. Nanantena fahagagana goavam-be tanaty Fanavaozana, kinanjo indroa nahita ny maizina tokoa. Tain’omby nasesika an-davaka ny ankabetsahany. Fanina am-pitoerana, miandry ny rariny.
Na izany aza, mila mijoro sy mahasahy mametraka ny maha izy azy ny Malagasy. Izao no vanim-potoana hanambarana ny hery. Hanehoana izay firaisankina sy fihavanana tena izy. Tsy tokony hisy ny fananganan’efitra ato anatiny, fa raha tsy izany dia ho boribory vetaveta eto foana ilay fiainana. Aiza ka hifamaly faty sy hifampiandry kendritohina foana eto ve mandritra ny androm-piainana? Ifandimbiasana ny fonja.
Tsy mendrika ny faharesena lava eto i Madagasikara. Mila mitraka tsy ho eo ambany vahohon’ny firenen-dehibe sy matanjaka. Aiza ka na ny firenena tokony ho mitovy lenta amintsika aza izao ity mahavita mibaikobaiko? Fomba fijery sy famakafakana ivelany avokoa anefa izany. Tsy hay izay kajikajy sy diplaomasia any ambadimbadika any. Politika rahateo no lalaovina ka izay mihanahana ihany no voa mafy. Hilaozan’ny omby mihahaka!

r.r

Partager sur: