“Tsy misy gadra politika eto Madagasikara”, hoy ny Praiminisitra sy ny Filoha

“Tsy misy gadra politika eto Madagasikara”. Io ny valintenin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, teny Ivandry, omaly, manoloana ny toromariky ny Sadc tamin’ny fihaonana manokana nampitain-davitra, tany Botswana, afakomaly, momba an’i Mada­gasikara. Fandikan-dalàna avokoa no nisian’ny fanasaziana. Anisan’ny fehinkevitry ny SADC ny hamerenana ny antso hamotsorana ireo gadra politika sy ny hampitsaharana ny fisamborana tsy ara-dalàna ary ny hamelana ny fiverenan’ireo sesitany ara-politika. Ireo no heverina ho fototry ny fifampitokisana sy ny fampihavanam-pirenena. Tsy maintsy mifarana ny desambra 2027 ny Fanavaozana, araka ny nambaran’ny Praminisitra.
Taorian’izay, naneho ny heviny ny filohan’ny Fanavao­zana, ny kolonely Randria­nirina Michaël, teny Ivato, omaly: “Vonona ny hiara-kiasa amin’ny Sadc ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny famahana ny olana, raha misy tokoa ny olana. Satria mitohy ny asan’ny andrimpanjakana, ary vonona ihany koa ny hiara-kiasa amin’ny fanatanterahana ny fifidianana”. Misokatra amin’ny fandraisana anjaran’ ny ankolafy rehetra ny fitondram-panjakana na ny mpanohitra aza. Tsy nisy ny fanenjehana ara-politika teto Mada­gasikara. Olona voarohirohy amin’ny famotsiam-bola no tadiavin’ny fitsarana, fa tsy misy lasibatra amin’ny firehana politika.
Nitondra ny heviny ihany koa ny lehiben’ny Faritra Sofia, Irénée Djaosera. Nam­barany fa zava-dehibe tsy tokony hijabajabahana ny fiandrianam-pirenena. Mila fanavaozana ifotony i Mada­ga­sikara. Ny solombavambahoaka voafidy tany Ifana­diana, Manantena Hajanirina Dinah, kosa nilaza fa ireny no porofo fa mbola tsy mahaleo tena i Madagasikara. Misy ady mafy tsy hita maso sy tsy azontsika an-tsaina atrehin’ny Filoham-panjakana. “Tsy azo hodian-tsy hita fa tsy mipetra-potsiny ny fitondrana teo aloha sady tsy maty voalavo an-kibo. Izao no ahitana izay tena tia tanindrazana”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: