Nanomboka teny Ivandry, omaly, ny fanaovana tombana an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly. Roa no atrehina amin’izany: ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Ao anatin’ny Fanavaozana, ezaky ny fitondrana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ary ny fanadiovana ny raharaham-barotra eto amin’ny firenena, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana.
Mandray anjara amin’ny fihaonamben’ny minisitry ny Raharaham-bahiny eo anivon’ny tany mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay na ny frankofonia ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, i N’Diaye Alice. Fihaonana faha-47 natao tany Paris, Frantsa, omaly. Izy no solontenan’i Madagasikara amin’izany.
Mitaky ny fialan’ny ben’ny Tanàna ao Morarano Gara, distrikan’i Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro, ny mponina any an-toerana. Efa intelo miantoana ny fe-potoam-piasany, nefa tsy misitraka fampandrosoana sy fihatsaram-piainana ny vahoaka. Olana iray manokana nasongadin’izy ireo ny amin’ny vola fanampiana avy amin’ny orinasa Ambatovy. Vola be no natokana ho an’ny kaominina amin’izany, nefa tsy fantatra izay tena nandaniana azy.




