Tantara an’onjampeo: Nisokatra ao Vakinankaratra ny sampana VMTM

Iray amin’ireo sehatra ahafahan’ny zavakanto sy kolontsaina mirotsaka eo amin’ny fanabeazana ny tantara an’onjampeo. Anisan’ny manome lanja sy hasina izany ny fivelaran’ny VMTM.

Diboky ny kanto ny ao amin’ ny Faritra Vaki­nankaratra, ny alarobia 24 jona teo. Nisampana, ary notokanana tao Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vaki­nankaratra, ny Vondron’ ny Mpiangaly Tantara an’onjampeo. Ity fikambanana ity izay misehatra manontolo amin’ny fiangaliana sy famelomana ary fanomezana aina ny tantara fihaino. Mijoro manome hasina ny tantara fihaino ho fialamboly, fanabeazana ary soatoavina.
Tonga nanokana izany ny avy any amin’ ny foibe VMT Madagasikara Antananarivo, notarihan’ ny filoha Mbola­ranto Ramanantsoa. Nape­traka ho filoha VMT ao Vakinankaratra kosa Andri­ano­menjanahary Tafitasoa Junnot. Tetsy andaniny, vita ny alahady 28 jona 2026 teo ihany koa ny fifidianana izay ho filoha sy birao foibe, hitantana indray ny VMT Mada­gasikara. Voafidy ho filoha tamin’izany i Sylvia Randria­nantoandro (Tiavina). Notan­terahina ny andron’ io ihany ny fifamindram-pitantanana teo amin’ ny filoha teo aloha Mbolaranto Ramanantsoa sy ity filoha vaovao. Nandritra ny hetsika, nisy hatrany ny fandraisana mpikambana vaovao.

Fantatra fa eo am-piatrehana ny fivelarana sy fisampanana manerana ny Nosy ity fikambanan’ ny mpanoratra sy mpilalao ary mpanatontosa tantara an’onjampeo ity, ankehitriny. Marihina fa anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny VMT Madagasikara ny fampitomboana ny traikefa ananan’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny tantara an’onjampeo. Tsy mijanona eo amin’ny fialamboly irery intsony mantsy ny tantara, ankehitriny, fa mandray anjara goavana amin’ny fitaizana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: