Haparitaka isam-paritra : Voavolavola ny Paikady ho an’ny préscolaire

Navondrona iray ao anatin’ny Paikady nasionaly ho an’ny kilasy fanomanana (préscolaire) ny fandaharanasa samihafa nampiharina teny anivon’ny sekoly maro hatramin’izay, momba ny akany fibeazana ho an’ny zaza madinika. “Tanjon’ny paikady ny hanitatra ny fisitrahan’ny ankizy ny kilasy fanomanana manerana ny Nosy. Hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana, omena fanofanana ireo mpanabe ary hamafisina ny famatsiam-bola hanatanterahana ny asa rehetra. 0,5% amin’ny tetibola ho an’ny fanabeazana ihany, hatreto, no atokana ho an’ny préscolaire”, hoy ny talen’ny fampianarana tsy maintsy atao, Andrianatrehy Marolaza Constant. Fototra lehibe ho an’ny fivoaran’ny sain’ny zaza ny fanaitairana ny vavahadin-tsainy mandritra ny fandalovany ao amin’ny kilasy fanomanana. Eto Madagasikara, zaza telo amin’ny 10 ihany no mandia io kilasy io. Misy elanelana be ny zava-misy eny amin’ny tanàn-dehibe sy ny any ambanivohitra, araka ny vokatry ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankohonana MICS 2025. Tsapa anefa fa mampihena ny famerenana kilasy sy manatsara ny fari-pahaizan’ny ankizy ny fandalovana “préscolaire”, araka ny nambaran’ny solontenan’ny Unicef, Christine Jaulmes. Amin’izao fotoana, manana io kilasy io avokoa ny EPP, satria dingana tsy maintsy lalovana izany. Efa niakatra ho 29% ny tahan’ny fidiran’ny kilonga eny amin’ny “préscolaire” ny taona 2025, raha 15% izany ny taona 2018.

Vonjy

Partager sur: