Haharitra roa andro ny atrikasa iarahan’ny BNGRC sy ireo mpisehatra rehetra momba ny tombana ny asa tao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza nandritra ny fotoam-pahavaratra 2025-2026. Rivodoza roa: Fytia (tany andrefana) sy Gezani (atsinanana) no nandalo teto amintsika. Atrikasa nasionaly no tanterahina eto Antananarivo, taorian’ny atrikasam-paritra tamin’ny toerana nandalovan’ny rivodoza roa, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel, omaly.
Hivoaka anio ny drafitrasa nohavaozina hanatsarana sy hanamafisana ny fomba fitantanana ny loza, indrindra ny asa tantsoroka izay mampihena ny fiantraikan’ny loza. Ny fanjakana malagasy, ny BNGRC ary ny mpiray ombon’antoka no miara-manatanteraka ny drafitrasa. Ho an’ny fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra, efa mijery ny fitaovana rehetra ilaina, manentana sahady manomana ny mpiara-belona amin’ny fananana kolontsain’ny tandindon-doza ny tomponandraikitra.
Efa namoaka rahateo ny sampandraharaha misahana ny toetr’andro (DGM) fa ho mafimafy kokoa ny El nino ka hisy fiantraikany mahery vaika amin’ny firenena maro. Tafiditra ao i Madagasikara, ho an’ity fotoam-pahavaratra manaraka ity.
Vonjy




