Fisolelahana sa tsy fandrasana tantana? Nanaitra ny nahita ireto vondrona politika efa natory, nifoha tampoka nihiakiaka ny ho filatsahan’i Kolonely hofidina filoham-pirenena. Natao nanakoako izaitsizy ny fanambarana. Nanoatra noho ny amin’ny vanim-potoana milamina sy mahazatra. Tahaka ireny efa manana lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana raikitra ireny ilay Madagasikara. Mamofompofona tsy Fanavaozana.
Tamin’ny hafanam-pony sa nirahina izy ireny hitsapa ny halalin’ny rano? Raha ny tetiandro sy ny lamina mivoaka, hatreto, toa lavitry ny resaka filatsahan-kofidina avy hatrany ny raharaha. Mbola mila ny fototra sy ny fanavaozana tena izy. Manginy fotsiny ny fampihavanana sy ny fikaonandoham-pirenena ary ny fifamelana. Tsy olona maika haka seza no lohalaharana fa olona vonona ny hametraka tantara tsara ho an’i Madagasikara.
Firenena masina sy mendrika ny tena fitiavana izy ity. Tsy tokony ho maimaika ireo mpanao lova tsy mifindra. Tahaka ny tsy mba manana mpandimby politika na manampahaizana ilay Madagasikara. Ny teo ihany no miverimberina. Ireo efa koakan’ny taona sy manao kirin’antitra no midehadehaka sy mbola miseho ho tompon’ny kianja filalaovana politika eto amin’ny tanàna. Difotra sy sarona tanteraka ilay tanora nalaza ho « Gen Z ».
Tsy mahakivy izany fa mila mahay mahandry tantana ihany koa. Tsy ho tahaka ny akoho, tsy nahandry ny andro zoma. Faniriana ny hikopak’elatra ho lasa lavitra, kanefa na ny elatra aza tsy nety nitsiry. Mitady tombony aloha loatra ka sanatria hiditra fatiantoka tsy amin’ny lerany eo. Zava-dehibe ny fanohanana fitondrana, saingy mila mieritreritra kosa amin’ny fahaizana manavaka ny hoditr’akondro sy ny tena fitiavana!
r.r




