FANTINA sy FINTINA

Nitondra ny heviny ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nambarany fa mpikambana eo anivon’ny ONU isika ka tsy afa-miala amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. «Hanao sahala an’i Burkina Faso isika raha hiala tanteraka amin’ireo iraisam-pirenena ireo. Mbola sarotra ho an’i Madagasikara anefa izany», hoy izy.
Ilaina ny tsy fitovian-kevitra mba hisian’ny fifanakalozana hitondra any amin’ny mahasoa iombonana, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, teny Andafiavaratra, afakomaly. Niatrika ny fivoriana lehibe momba ny jeopolitika ny tenany. Naha­tonga solontena ireo firenena 19 aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
Mipetraka ny fahaleovantena rehefa mijoro ny olom-pirenena, mifampatoky ny fokonolona ary afaka mamaha ny olany ny fiarahamonina, araka ny fanambaran’ny fikambanana Fonena. Nambaran’izy ireo fa tsy tonga hitondra fampanantenana izy ireo fa hihaino sy hiara-kiasa ary hanaporofo fa miainga eny ifotony ny fiovana maharitra.
Manohana ny fampiharana ny rafitra faritra mizaka tena ny antoko Les As, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, i Voninahitsy Jean Eugene. Nanteriny koa fa fifidianana lalàmpanorenana no hatao. « Tokony hisy koa ny minisitra iray isam-paritra mba hisian’ny fifandanjana », hoy izy.

Partager sur: