Angamba izy no mpaka sary ahafantarana indrindra an’i Madagasikara… Hisy ny fampirantiana ireo sanganasany notsongaina, haneho ny tontolony.
«Fofon’aina»… Lohahevitra mahafaoka be, milaza ny fiainana fototra, ny antom-pisiana, ny maha olombelona. Fa tsy izay ihany no tiana hasongadina amin’ny fampirantiana « Fofon’aina », hanehoana ireo sanganasan’i Pierrot Men. Saripika araka ny nahafantarana azy, notsongaina manokana tamin’ireo an’arivony na an’aliny izay efa notontosainy. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, omaly, tetsy amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Ao rahateo no hanaovana ny fampirantiana, ny 4 jolay izao ka tsy hifarana raha tsy ny volana febroary 2027.
Fiverenana an-tsary sy an-tsaina arahin-tadidy voarakitra ny 50 taona nilomanosan’i Pierrot Men tanatin’ny saripika ny fampirantiana. Sary maherin’ny 400 eo ireo izay sambany tsy nofantenin’i Pierrot Men hatramin’izay nanaovany fampirantiana. Misy efa tamin’ny taona 1972 ireo sary ireo, ka hatramin’izao. Nandrindra ny fifantenana hatramin’ny fampirantiana i Joël Andrianomearisoa sy Rina Ralay Ranaivo. Nambaran’ izy ireo fa vokatry ny fantina an-taonany maro ireo, ary nandaniana fotoana mba tena haneho ny lohahevitra. Hahitana ny nanombohan ’i Pierrot Men tany amin’ny hosodoko izany, izay vitsy mpahalala. Maneho ny fototra, ny fifikirany amin’i Madagasikara sy ny Malagasy ary izay fototra izay. «Fofon’aina» miampita koa, satria niainga tany amin’ny vanim-potoana antenantenany ho an’ny saripika nankaty amin’ny niomerika. Midika fa tsy maty, velona sy mitohy ary mbola manana ny hoaviny ny tontolon’ny saripika.
Zo ny Aina




