Fahasahiana sy fandraisana andraikitra. Nankatoavin’ny antenimierampirenena ny tolo-dalàna momba ny politikan’ny fampiasana ny teny malagasy sy ny zo momba ny teny malagasy eto Madagasikara. Anisan’ny voarakitra ao anatin’ity lalàna ity ny fanasiana dika amin’ny teny malagasy ny didim-pitsarana, ny fifanarahana ifanaovan’ny mpiasa sy ny mpampiasa, fampiasana ny teny malagasy amin’ireo takelaka rehetra eny amin’ireo toerana ifaneraserana amin’ny vahoaka (seranam-piaramanidina, biraom-panjakana…).
Efa zava-dehibe ny fameloman-kasina indray ny teny malagasy tahaka izao. Tsara ny dingana vita fa mila fampiharana. Andrasana fatratra ny fampiasana na fampiharana izany isan-tsehatra. Goavana indrindra ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana. Mila hampifanitsiana amin’io lalàna fototra io ny fanapahan-kevitr’ireo departemanta, na minisitera miadidy ny fampianarana. Mila fahasahiana sy finiavana ny famoahana ny: « ny teny malagasy no teny hoenti-mampianatra ».
… Raha mbola tsy mivoaka io fanapahan-kevitra io. Mandeha ila ihany ity fahalanian’ny tolo-dalàna ity. Tsy ho tafatoetra ny fananana taranaka ho tia ny tanindrazany.
HaRy Razafindrakoto




