Hiaka-dapa indray ny « Tapôlaka Glady ». Sambany ho an’ny seho fa tsy sambany kosa ho an’ny tarika Rossy ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Nampahafantarina omaly, ny « Tapôlaka Glady Timeless », hatao ny 22 aogositra izao, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ ny Novotel Ivandry. « Timeless » satria ny hiran’ny tarika Rossy, tsy lefin’ny fotoana, nandalo andian-taranaka telo izao. “Ny mozikan’ny tarika Rossy tamin’ny niantombohany hatramin’izao no nangatahinareo mpankafy ka hataontsika izay. Glady eo amin’ny lafiny fanamafisam-peo sy kilalaon-jiro izay efa homaninay dieny izao sy ny teknika rehetra. Satria izay no nangatahinareo mpankafy, dia tantaran’ny tarika Rossy manontolo no hataontsika ao », hoy i Rossy.
« Hampiakatra ny lenta sy ny kalitaon’ny seho hatao eto Madagasikara no tanjonay. Mendrika ny hahazo seho manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny mpankafy .Mitovy ny vina eo aminay sy ny tarika Rossy, ny hanolotra ny tsara ho an’ny mpankafy ka hotohizana. Tsapa fa vonona ny Malagasy hankafy seho lehibe kokoa, vonona hiaina traikefa vaovao», hoy kosa Razafindrakoto Hasina, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Cool Concept, mpikarakara.
« Misy sokajin’olona matahotra toerana ngezabe, misy ilay Lapan’ny kolontsaina mihitsy no tadiaviny. Misy feeling hafa mihitsy ny anaty toerana mihidy. Efa homaninay amin’ny taona ho avy ny coliseum”, hoy i Rossy, namaly sahady ny mety ho fanontaniana. Tsy ho ela ny andinindinin’ny hetsika.
Zo ny Aina




