PFSCE: Mila arindra ny rafitra hahitana vokatra ho fiarovana ny ankizy

Haitaky ho fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra. Io no nataon’ny vovonana miantsehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy (PFSCE) hamaranana ny iray volana ho an’ny ankizy.

Naneho fahavononana amin’ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra ireo manampahefana
amin’ny fanovana ny rafitra, niara-nidinika tetsy Ankerana, tamin’ity herinandro ity. Ma­rolafy ny hevitra nivoaka, hitondra amin’ny fanatsarana ny fiarovana ny ankizy.
Nisongadina nandritra ny ady hevitra fa sakana amin’ny fanatanterahana ny asa ny tsy firindran’ny rafitra misy eo amin’ny fanjakana sy ny fikam­banana ary ny fiarahamonim-pirenena. Rehefa mio­va ny mpitantana dia tapaka ihany koa ny ezaka natomboka ary miverina hatramin’ny voalohany indray ny asa. Tsy misy ny fitohizan’asa, araka izany, ka mampitarazoka ny ezaka na eo amin’ny fanjakana izany na eo amin’ny fikambanana. Tokony hapetraka tsara ny rafitra hirindran’ny asa.
Anisan’ny komity teknika mamolavola ny politika nasionaly miaro ny ankizy ny PFSCE. Izy no mametraka ny rafitra samihafa miaro ny ankizy. Tafiditra ihany koa anatin’ny tetikasa Anjara ny hetsika omaly .

Tena lasibatra ireo ankizy varira
Noresahina manokana omaly ny herisetra mianjady amin’ny ankizy manana toe-tena varira izay niseho matetika tato ho ato. Misy ireo vonoina mihitsy, misy ny voaolana ary ao ny alaina ankeriny.
Nanome antontanisa ny fikambanan’izy ireo fa nahatratra 33 ny olona manana toe-tena varira namoy ny ainy hatramin’ny taona 2022 nampirongatra be ity herisetra mianjady amin’izy ireo ity. Tamin’ity taona 2026 ity kosa, 8 ny fakana ankeriny ary ny 6 no maty ka zaza sy ankizy avokoa izy ireo. Nisy 2 lahy efa lehibe, 45 taona sy 50 taona, ihany koa hita tany Ampanihy sy Toamasina II. Mbola misy ny tranga hafa ankoatra ireo izay tsy voarakitra fa mitranga any ambadika any. Mitaky ny zava-misy ma­rina ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira.

Tatiana A

Partager sur: