INDRAY MIJERY

Mikarakara varavarana misokatra ho an’ny daholobe ny hopitaly Anosiala, ny 8 sy 9 jolay ho avy izao. Hisy fampianarana momba ny aretin’ny zaza sy ny homamiadana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana, ny andro voalohany. Hizaha fahasalamana maimaimpoana kosa ny tomponandraikitra ny tapakandro hariva sy ny andro faharoa. Isaky ny sampandraharaha no manatanteraka izany. Handidy ny goître koa ny tobim-pahasalamana mandritra ny fotoana voalaza, miaraka amin’ny tolotra fahasalamana maro. Mila misoratra anarana mialoha raha maniry ny hisitraka tolotra.

Nifarana omaly ny fifaninanana hidirana
amin’ny taona voalohany amin’ny sampana CAPS. Miisa 281 ireo mpiadina niatrika izany, notanterahina tamin’ny foibem-panadinana efatra: LTP GC Maha­masina, LTP Mantasoa, LTP Toamasina ary ny LTP PK4 Antsiranana. Lalam-piofanana enina no atolotra ao anatin’ny CAPS: maçon gros œuvre, installateur sanitaire–plomberie, carreleur–finisseur–peintre, électricien bâtiment, métallier–soudeur–tuyauteur ary charpentier bois couvreur. Fiofanana iarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arakasa sy ny tetikasa Cnef BTP manatanteraka.

Partager sur: